Fitsarana mitety vohitra : Zaza 1.400 nahazo kopiam-pahaterahana teto Toamasina



Jacaranda

Miditra amin’ny andiany faharoa, ny fikarakaran’ny tarika Nantenaina ny fanomezana kopiam-pahaterahana ho an’ireo zaza sy ankizy ary tanora tsy mbola manana izany, eto Toamasina. Misy 1.400 avy amin’ny boriborintany dimy eto Toamasina renivohitra ireto zaza sy ankizy ary tanora ireto, saingy ny tao: Mangarano, Andranomadio, Ankirihiry, Analamboanio, Depot Analakininina, ary Morarano no tena betsaka tamin’izany. Miara-miasa amin’ny mpitsara sy mpiraki-draharaha ary ny kaominina misahana ny fianakaviana ny tarika Nantenaina sy ny fikambanana IDEM miaraka aminy, amin’izao hetsika andiany faharoa izao, satria tena zon’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora mbola tsy manana kopia ny hahazo izany. Tena ilainy amin’ny fiainany manontolo amin’ny sehatry ny fianarana, amin’ny sehatry ny asa, ary amin’ny sehatry ny maha-olom-pirenena Malagasy mihitsy. “Tena mahamenatra ny zava-misy, satria kaominina tampon-tanàna sy ambonivohitra ary kapitaly ekonomika eto Madagasikara, mbola maro tahaka izao ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora tsy manana izany kopiam-pahaterahana izany akory. Ahoana no hidirana amin’ny fampandrosoana amin’izany, nefa ny zo faran’izay kely tokony hananan’ireo heverina ho avin’ny tanindrazana aza tsy ananan’izy ireo akory”, izay no nambaran’ny Nantenainy tompo-marika amin’izao hetsika izao. Ho an’Atoa Rakotoarijao Roger, filohan’ny fikambanana IDEM eto Toamasina dia nomarihany fa antony iray mahatonga ny zaza sy ny ankizy tsy miditra an-tsekoly ny tsy fisian’ny kopiam-pahaterahana. Efa manao ny ezaka rehetra momba izany ihany ny fikambanana misy azy ireo, saingy tena tsy ampy izany noho ny fahamaroan’ny zaza tsy manana izany sy ny fahasarotana ny fikarakarana azy ary ny tsy fahatsapan’ny ray aman-dreny sasany ny hasarobidin’ny kopiam-pahaterahana no olana. Ankoatra izany, dia mazana antony telo no tena tsy ananan’ny zaza ny kopiam-pahaterahany, voalohany ny fitsoahan’ny ray ny adidiny, faharoa ny tsy fahalalan’ireo tokantrano ny tokony hataony, ary fahatelo ny bokim-piankohonana eo anivon’ireo kaominina saika simba ny ankamaroany.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.