Maevatanàna : Vadina mpandraharaha nataon’ny jiolahy takalonaina



Jacaranda

Vehivavy iray indray no lasan’ireo olon-dratsy an-keriny, tany amin’iny faritra Betsiboka, omaly. Fantatra fa toa hoe mitaky 250 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy amin’izany. Efa any an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehetra miezaka mikaroka ireo olon-dratsy.

Tao amin’ny fokontanin’ Ambodimanga, ao amin’ny kaominina Maevatanana II, tanàna izay  tokony ho 4 kilaometatra miala ny tetezan’i Betsiboka no nitrangan’ity fakàna takalonaina ity. Raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana, dia andian-jiolahy maromaro no tonga tao amin’io tokantranona mpandraharaha io, ny alin’ny alarobia hifoha zoma lasa teo. Basim-borona no nentin’izy ireo ary voalaza fa nisy sasany tamin’izany no nitondra  « kalach ». Vola avy hatrany no notakian’ireo olon-dratsy tamin’ny tompon-trano raha vantany vao tafiditra izy ireo. Nilaza anefa ireto farany, fa tsy misy vola ao an-trano ka nampiaka-pofona ireo mpanafika. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia nentin’izy ireo niaraka taminy ilay ramatoa tao an-trano, nataon’izy ireo takalonaina. Tsy nisy afa-namaly na nanohitra akory moa ireo voatafika noho ny tahotra. Hany sisa azo natao ny niantso vonjy taorian’ny fitsoahan’ireo olon-dratsy. Omaly antoandro no niantso ny vadin’ilay ramatoa ireo mpanao ratsy ; izay mbola tsy fantatra na aiza na aiza misy azy ireo. Nangataka io volabe an-tapitrisany io solon’ny famotsorana an’ilay ramatoa. Hatramin’ny omaly hariva nanoratanay, dia mbola tsy nisy vaovao heno mahakasika ny fandoavana na ny famotsorana ity vehivavy lasa takalonaina ity. Fantatra kosa, fa efa mandray an-tànana ny raharaha ary manao ny ainy tsy ho zavatra ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.

m.L / Ratantely

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Amin’ny Alarobia hifoha zoma ? Ha ha ha !

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.