Tsaratanàna : Dahalo iray no lavon’ny lehiben’ny dina any an-toerana



Jacaranda

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny lehiben’ny dina sy ny malaso dimy lahy nirongo basim-borona sy kalaky maromaro. Iray tamin’ireo dahalo no maty voatifitra, rehefa avy nangalatra omby roa, tany amin’ny fokontany Manakana Bepilopilo, kaominina ambanivohitra Betrandraka, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Malaza indray ankehitriny ny asan-dahalo any amin’iny faritra Tsaratanàna iny. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany ka omby roa nitondra sarety handeha hitatitra bozaka  no noravan’ireto olon-dratsy tamin’ny tompony. Raha vao nahare izany Atoa Rija lehiben’ny dina any an-toerana dia nanara-dia niaraka tamin’ny olona vitsivitsy niara-nifarimbona taminy; izay  nanao sakana na “ Bouclage.” Tao amin’ny kizo antsoina hoe “ Andranomena”  no nifanehatra tamin’ireo malaso izy ireo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina ka  dia raikitra ny fifandonana  “ Accrochage” teo amin’Atoa Rija sy ireo dahalo dimy lahy, izay nahafatesana jiolahy iray voalaza etsy ambony. Nitsoaka ireo malaso efatra ambiny  fa ny omby roa nalainy kosa dia tafaverina. Afaka 4km taorian’izay, dia niverina Atoa Rija sy ny namany nanara-dia. Marihina, fa tsy nisy naratra na aina nafoy tamin’ireo fokonolona nandritra ny fifanjevoana. Nankasitrahan’ny fokonolona manodidina ny fihetsika nasehon’ Atoa Rija; izay dahalo niova fo nanao ny ezaka, ka nahatafaverina amin’ny tompony ireo omby ireo. Miaina ao anatin’ny tebiteby tanteraka kosa araka izany ireo mponina any an-toerana, satria efa mila ho isan-kerinandro ny asan-dahalo manao andiany manafika any amin’iny faritra Tsaratanàna iny.

Ratantely

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Ny mahagaga ahy dia:
    -Ahoana no ahazoan’ireo dahalo basy mahery vaika satria,efa tamin’ny taona 1985 eo hoe no hita fa miparitaka ny kalach..nefa tsy misy fanazavana afisial na olon-mpanjaka nosazina satria ny Fanjakana no DETENTEUR officiel n’io basy ioToy izany koa ireo taola-p

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.