Vono ’olona tao Imerintsiatosika : Telo nosamborina ary notazonina an-toeran-kafa



Jacaranda

Omaly ihany dia efa nandeha be ny fanadihadiana nataon’ny zandary, mahakasika ilay raharaha vono olona telo mianaka tao Imerintsiatosika. Olona telo no nosamborina ary notazonina rehefa misy fanahiana azy ireo ho tompon’antoka tamin’ny heloka bevava. Koa satria tsy nisy ny varavarana vaky na koa nisy zavatra nopoirina mba nahatafidirana tao amin’ilay trano, dia tsy maintsy nandeha tany amin’ireo olona izay nifanerasera tamin’ity fianakaviana ity ny ahiahy voalohany . Teo no nahatonga ireo olona telo izay nosamborina ary nosavaina trano. Lahy avokoa  izy ireo, raha araka ny vaovao azo, ary misy ny namana akaiky  ny raim-pianakaviana. Io no tena ahiahiana mafy. Loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana no namantarana, fa miara-miasa amin’ny sehatra hafa amin’ilay raim-pianakaviana izy io ary manodim-bola miaraka izy ireo. Mbola izany ihany koa no nahafantarana, fa misy olana ara-bola eo amin’ny roa tonta. Rehefa nosavaina ny trano fonenan’io omaly, dia nitombo ny fanahiana. Nahitana kiraro, mosoara ary pataloa izay misy rà tao amin’io toerana io, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Omaly ihany izany dia efa nitombo ny fanahiana ity rangahy ity ho tompon’antoka tamin’ny vono olona. Koa satria naharary tamin’Imerintsiatosika ny zava-niseho, dia nandray fepetra avy hatrany ny zandary ny namindra toerana ireo olona telo mba hialàna amin’izay mety ho fitsaram-bahoaka  hitranga. Nanomboka omaly ny fihainoana ireo olona ary mbola afaka manalava hatrany ny fitazonana azy ny mpanao fanadihadiana, satria heloka bevava ny raharaha ary tsy voatery ho vita  roa andro ny fihainoana sy ny fandalinana rehetra izay tokony hahitàna ny marina. Nihoron-koditra ny olona ary nisavorovoro ny sainy raha nahita ny vaovao mahakasika iny tany Imerintsiatosika iny. Ny reny naolana dia novonoina, ny zanany notsatohana antsy teo amin’ny tendany ary novelesina kibay sy notsatohana antsy koa ny ray. Samy maty izy telo mianaka no hita ny maraina. Mainka koa nampihorohoro ny olona ny fisian’ny vono olona tetsy amin’ny Gastro tetsy By-pass ; izay notsatohana antsy ny mpiambina  roa ka maty tsy tra-drano. Izany rehetra izany dia tanatin’ny alina iray avokoa no nitranga. Mila valiny haingana momba ireo heloka bevava ireo ny olom-pirenena; izay vao afaka milamin-tsaina indray.

D.R

Share This Post

5 Comments - Write a Comment

  1. tonga de tokony atao au poteaux ireo olona voasambotra ireo raha tena voaporofo fa izy ireo marina no nanao iny vono olona mahatsiravina iny

  2. Tena tokony hampiharina arabakiteny mihitsy ny peine de mort raha tena hita fa voaporofo ny famonoana olona ,izany ve raha tsindromona antsy koa de mbola droit de l’homme indray no dradradradraina ,misaotra sahady ny traikefa anaran’ny mpitondra filaminana ary mankahery az ireo hatrany

  3. Tena efa miharatsy mihintsy eto amin’ny tsika eto. Anisan’ny mahatonga ny fahantrana ny tsy fandriam-pahalemana satria raha mba misy miezaka ny hihoatra amin’ny fiainana dia tratra ny toa izao avokoa rehefa tsy manana mpiambina manokana. Hasa lahy raha mba hoviana ihany vao hiaina am-pilaminana ny vahoaka? mety rehefa any an-danitra any ngamba an…efa tsy hay intsony izy ity e. Mitaky fiarahana mientana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny mpitandro filaminana ny fanafoanana ny tsy fandriam-pahalemana

  4. Hatramin’y fahaleovantena mandrak’androany mbola tsy nisy Filohampirena Malagasy nahafe n’y Fahandriampahalemana s’y nampihena n’y fahantranan’ny Malagasy nefa dia Firenena betsaka potentiel.Betsaka n’y zavatra azo atao hampandrosoana n’y Firenena . Mpanao politique tsisy programme n’asa tsisy stratégie Gouvernement tsy mamokatra .N’y olona tsisy asa ,n’y ankizy rehetra tsy manana Fahafahana handeha hianatra.Ny tanora mirenireny tsisy asa ,tsisy fialamboly Izay marary Maty tsy manambola hividianana fanafody .HAVERENO NY MPANJANAKA (VAZAHA) hitondrana ny Firenena Hita fa tena tsisy compétences ny Mpanao politique Malagasy.

  5. Izay olona afaka mamerina ny tany handry fahalemana no ho fidiko.Ra8 no hitako hatreto.Tsy hoe izy tsy misy kilema …fa kosa hitako hoe izy no mahay kokoa mampandry fahalemana raha ampitahaina @filoha tetezamita na filoha hery

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.