Ambatomaro : Sady voaolana no voaendaka ilay vehivavy

Jacaranda

Teny Ambatomaro no nitranga ny tantara, ny sabotsy 15 septambra lasa teo. Lehilahy sy vehivavy iray mpianadahy, handeha hody sendra tratra hariva no narahan’ny telolahy ary nony tonga teo amina toerana mangingina, dia nodarohan’ireto farany ilay tovolahy ka tsy tafatsangana intsony. Taorian’izay dia nosintonin’izy ireo nankao amin’ny lobolobo tsy lavitra teo ilay anabaviny ka tsy nifankahita tamin’ny anadahiny intsony. Nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny finday roa sy ny vola 10.000 ariary teny aminy. Tsy nanohitra azy ireo ity vehivavy ity, satria  nampitahoriny hovonoina raha tsy manaiky izay sitrapony. Nasainy nanala akanjo ravehivavy ary naolan’izy telo lahy sy nampiharany ny habibiany. Rehefa vita izay tiany nataony, dia lasa nandositra ny roa lahy. Ilay fahatelo kosa, mbola nanaraka ilay vehivavy hatrany an-tranony mba haka ny vola rehetra ao, satria nilaza ity vehivavy ity fa mipetra-drery izy. Voafandrika anefa ity lehilahy ity rehefa tonga tao an-trano satria afaka niantso fokonolona sy polisy ity vehivavy rehefa nahita hevitra nanidiana azy tao an-trano. Vokany, noraisim-potsiny tao ity olon-dratsy, tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo ho eo ka nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ ny polisy Antaninandro. Nandritra ny fanadihadiana azy moa dia niaiky ilay lehilahy fa nanendaka sy nanolana ilay vehivavy. Mandeha ny fikarohana ireo namany ankehitriny.

T.M.

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. · Edit

    tapao ny « bibitiny » ê!

  2. On croit en dieu ce ça…

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.