Androfiamadinika-Maevatanàna : Ankizivavy kely 14 taona, simba tanteraka naolan’ny raikeliny

Jacaranda

Na dia eo aza ireo fanentanana isan-karazany, dia mbola mahazo laka hatrany ankehitriny ny fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny ankizy tsy ampy taona. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ankehitriny, fa ny raikeliny ihany no nanolana an’ity zana-badiny izay kamboty ray ity. Ankizivavy vao 14 taona antsoina hoe « Elianne » no simba tanteraka naolan’ny raikeliny, tao amin’ny fokontany Androfiamadinika, kaominina Maevatanàna voalohany. Araka ny fitantaran’ilay «  tovovavy kely » rehefa nofotorana lalina omaly dia nilaza fa notambazan’io lehilahy voalaza etsy ambony tamin’ny « biscuit » sy « vatomamy » ary vola telo arivo ariary rakalakely, satria tsy teo ny reniny, ka teo no nanamparan’ilay rangahy tsy mataho-tody ny filan-dratsiny ity tovovay kamboty ray ity. Rehefa niverina tany amin’izay nalehany kosa ny renin’ilay zaza voaolana, dia tsy sahy nitantara ny zava-nanjo azy ity farany, satria norahonan’ny raikeliny hovonoina. Gaga ny reniny raha  nahita an-janany mibakabaka  famindra sady nahatsikaritra rà tsy nijanona niraraka teo amin’ny feny. Tsy tanany intsony ny alahelon’ilay  kalakely rehefa nojeren’ny reniny, ka nitomany nigogogogo sady, nanaboraka ny zava-nihatra taminy ary nitantara ny zava-nisy niainany. Nentina namonjy dokotera ilay zaza voaolana, ary nanamafy ny mpitsabo, fa simba tanteraka izy noho ny herisetra ara-nofo nihatra taminy. Nitsoaka kosa ilay nahavan-doza ka mbola karohana fatratra hatramin’izao.

Ratantely

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.