Ankavandra : Dahalo dimy maty voatifitry ny zandary

Kizo famaharan’ireo dahalo sy fanafenana omby halatra iray hafa indray no ravan’ny zandary ao anatin’ny hetsika « mandio » tanterahan’izy ireo amin’izao, tany amin’iny faritra Melaky iny. Vokany, nisy dimy tamin’ireo dahalo no tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony.

Ny alahady lasa teo dia toerana iray ao Bedretra, any amin’iny distrika Ankavandra iny indray no nidinan’ireo andiana zandary manao hetsika manokana amin’izao. Izany dia taorian’ny fanampim-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisiana faritra iray hitobian’ireo dahalo aloha sy aorian’ny fanafihana. Vao tazan’ireto malaso anefa fa mihazo ny faritra misy ny toby famaharany ireto mpitandro filaminana, avy hatrany dia nitifitra tsy tam-pisalasalàna izy ireo. Raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nandroso niakatra ihany anefa ireo zandary no sady niaro-tena sy namaly tifitra, efa zatra ady tanteraka sy nofanina manokana amin’ny toe-javatra tahak’izao. Tamin’izany no nahafaty ireo dahalo dimy, voatifitra avy hatrany. Nisy sasany ihany koa naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka. Rehefa hitan’ireo olon-dratsy moa fa tsy voatosika mihitsy ireo mpitandro filaminana dia nitsoaka nandositra izy ireo, rehefa avy nandroaka ireo basy teny an-tanan’ireo namany maty. Noravàna avokoa moa ireo tranotrano sy fitaovana nampiasain’ireo olon-dratsy tao amin’io toerana io ary niroso hatrany tamin’ny savahao sy ny fikarohana ireo tafatsoaka ireto zandary ireto.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire