Fanafihana eto Toamasina : Tsy mahasakana ireo jiolahy ny “operation” ataon’ny mpitandro ny filaminana

Jacaranda

Tsy nisy nahahetsika ny rehetra raha tonga tampoka nisintona ilay sakaosy nisy vola 10 tapitrisa ariary, raha nikasa ny handrotsa-bola 2 tapitrisa ariary tamin’ity “Mobile Money” iray tao bazary be tsy lavitra ny orinasa Jirama ; izay misy zandary mitam-basy, ny tranga niseho tokony ho tamin’ny 10ora sy 35min misandratr’andro ny talata. Raha ny fanazavana azo, dia roa ireo toerana fandefasam-bola eo akaikin’ity Jirama ity, saingy nanana olana tamin’ny habetsahan’ny vola nalefan’ity rangahy ity izy ireo ka voatery niandry ny famenoam-bola nataon’ilay mpandefa vola iray izay niantso ny tamba-jotra handefasana ny vola ity rangahy ity. Nandritra izay fiandrasana nataony izay anefa no niseho izao trangam-panafihana mitam-piadiana izao, satria tsy natahotra ireo olona maromaro teo amin’ity tranohevam-pivarotra gazety sy mpandefa vola ity ireto jiolahy, fa avy hatrany dia nandrangaranga basy PA izy ireo ary lasa toy ny tsy nanao na inona na inona akory vao nahazo ilay kitapo nisy ny vola, raha avy nandrahona hitifitra ilay rangahy raha tsy manome mora ilay kipato nisy ny vola ny tenany. Vao nahazo ilay kitapo izy ireo dia lasa ka ny roa lahy nanao taingin-droa tamin’ny moto Scooter miloko mena, ny faharoa nanaraka avy ao aoriana kosa nandeha irery tamin’ny moto scooter manga nentiny. Ireo olona niantsoantso indray no nambanan’ireto andian-jiolahy telo ireto ny basy ho vonoina ka tsy nisy afa-nihetsika. Mandeha noho izany ny resaky ny olona fa toa lasa fandaniam-bola sy filan-kaja fotsiny ity resaka “operation” atao lava eto amintsika amin’ity, fa tsy mahasakana akory ny andian-jiolahy manao ny asa ratsiny. Mmisy mihitsy no milaza fa matoa manana basy tsara sy mahery vaika ary sahy toy izao ny jiolahy, dia tsy maintsy misy mpitandro filaminana mpiaro sy mpanampy azy ao ambadika. Ho hita eo anefa izay ambaran’ireo mpitandro ny filaminana eto Toamasina, na ny polisy mpanao fisafoana ny tanàna, na ireo zandary izay manao ny “operation mandio” ankehitriny ity.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.