Maevatanàna : Maro ireo olona mahazo antso « ara-bola” tsy fanta-piaviana

Tena tsy kely làlana tokoa ny ratsy, amin’ny fandikan-dalana ka manao ny fomba rehetra hahazoam-bola amin’ny fanaovana heloka samihafa. Raha manomboka araky ny olona ny fomba ratsin’ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny tamba-jotran- tserasera na “ facebook” sy ny “ mailaka” dia miditra amin’ny fitiliana olona amin’ny alàlan’ny finday indray ireo mpisoloky ankehitriny. Tamin’ny volana Aogositra lasa iny izao, dia maro be ireo olona no mahozo antso tsy « Fanta-piaviana » avy amin’ andian’olona mpisoloky, misy azy ireo avokoa ny tamba-jotra  misy rehetra manodidina izany. Mandritra ny resaka ifanaovan’ireto andian’olona ireto, miandahy sy miambavy ary misandoka ihany koa ho mpiasan’ireo orinasam-pifandraisana misy eto amintsika. Izy ireo no miantso dia mandresy lahatra mafy fa misy olona nandefa fiara tsy mataho-dalana sy vola ho an’ity olona antsoiny, saingy tsy hita tampoka ilay olona voalaza fa mpandefa ny vola nefa tsy azo alefa amin’ireo “ money-baking” misy ny vola r aha tsy misy sarany. Ka io sarany io, no alainy amin’ireo olona hosolokian’izy ireo, izay tsy an’aliny izany fa an’hetsiny sy an-tapitrisany, satria hoe am-polony tapitrisa ariary ilay vola tsy lasa miandry ity saran’ny fandefasana azy ity. Misy ihany ireo olona tratran’izy ireo mandefa ny vola izay miala maina aorian’izay, saingy ilay vola tsy hita, rehefa antsoina amin’ny finday anefa izy ireo aorian’izay, dia tsy mandeha antsoina ireo finday maromaro fampiasan’ireto mpisoloky ireto.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire