Andranomafana – Antsirabe : Lehilahy iray namaky ny trano fisoloana akanjo, tratra ambodiomby

Jacaranda

Teo am-pandraofana ny entana sy ny vola ny lehilahy iray mpangalatra no tra-tehaky ny mpiasa ka tsy afa-niala intsony. Toy ireny olona manaraka marary hotsaboina ireny ilay rangahy, avy hatrany dia ny toerana fandraisana olona no natoniny, raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Rehefa ela ny ela, tsikaritry ny mpiasa ho  hafahafa fa manara-maso akaiky ireo marary mitsabo tena ataony. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, nopitsohany ny varavarana fidirana tao amin’ny trano fisoloan’ireo mpiasa an-tsitrapo ( benevolat) akanjo. Teo am-pisavasavana ny entan’ny mpiasa sy nandraoka ny vola tokony haloa ao amin’ny tompon’andraikitra Ingahy rainy no nidiran’ny mpiasa rehetra ka tra-tehaka teo. Nilaza ho mbola nitady toeram-pivoahana ihany izy na dia efa tratra ambodiomby izao aza. Tonga ny mpitandro filaminana naka azy ary teo izy vao nifompona sy nibaboka, fa tsy hamerina intsony ary nilaza fa olona sahirana.

Andry N.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.