Ambohitromby : Fiarana orinasa mpiantoka iray nifandona tamina fiara hafa

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teo sampanana Ambohitromby, distrika Ankazobe ny herinandro lasa teo tokony ho tamin’ny folo ora tany ho any. Vokany,  olona roa no naratra mafy ka zandary ny iray tamin’izy ireo. Teo amin’ny PK73+200, amin’iny lalam-pirenena fahaefatra no nitrangan’ity loza ity. Ny iray tamin’iray tamin’ireto fiara niharan-doza ireto dia fiara tsy mataho-dalana an’irony orinasa mpiantoka raha sendra tra-doza irony. Handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra izy io. Tao anatiny dia nisy zandary iray avy ao Antolonjanahary, ao amin’ny borigadin’i Fihaonana, avy namita iraka tao amin’ny tribonalin’Ankazobe, ary handeha hamonjy ny asany indray. Ilay fiara nifandona tamin’izy ireo koa dia fiaran’olon-tsotra mitondra ny marika « Renault ». Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Saingy azo heverina fa tsy maintsy ho fandehanaa mafy foana no ao ambadika, na io an’ilay orinasa mpiantoka na io ilay fiaran’olon-tsotra. Ireo tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana araka ny tatitra azo no tena voa mafy tokoa. Ka anisan’izany ity zandary avy namita iraka ity. Taorian’ny loza anefa dia efa samy nentina novonjena tany amin’ny hôpitaly avokoa izy ireo. Mampalaelo ireo naratra vokatry ny loza hoy ny rehetra saingy raha ny amin’ity orinasa ity dia azo lazaina fa mpivaro-drano tratr’orana ihany izy ireo. Raha ny filazan’ireto tompona fiara maromaro ao amin’ity orinasa ity mantsy dia toa hoe anarana fotsiny ny fisian’ireny orinasa mpiantoka amin’ny loza ireny eto amintsika. Miendrika halatra ahazoana alalàna ihany izy io, hoy ny rehetra. Ny vola tsy maintsy aloha foana ary ny mpitandro filaminana tsy manaiky mihitsy na dia tara ora fotsiny ny fahatamperan’ilay taratasim-piantohana. Kanefa raha sanatria tojo loza ilay fiara dia hitan’ny sasantsany amin’ireo orinasam-piantohana foana ny hirika hialàna, tsy hanefàna ny fahasimbàna vokatr’izany loza izany avy eo. Angamba hoy ny rehetra mba hanova famindra izy ireo amin’ity fahavoazana nahazo ny fiaran’ny iray amin’ireo orinasa ireo.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.