Andraisoro : Ramatoa nihatona tamin’ny tady ny vatany

Jacaranda

Nanaton-tena sa nisy namono ? Izy efa hita faty no hitan’ny olona izay nandeha vao maraina, omaly, tetsy Andraisoro, ary tamin’ny vy an’ny tetezana no namatorana an’izany. Ny akanjony ihany no namatorana ny tendany ka nanatonana azy. Mbola mitondra kitapo teny am-babena izy tamin’ny hitan’ny olona. Raha araka ny fantatra dia efa tamin’ny asabotsy alina teo no nanomboka tsy hita ity ramatoa ity. Ny maraina izy vao nisy nahita saingy efa namoy ny ainy. Tsy nisy dian-dratra hita mivantana teo amin’ny teny ary raha araka ny filazan’ny olona hatrany dia mipetraka eo amin’ny manodidina ihany izy. Miforitra ny tanany ilany ary teny an-kodiny avokoa ny akanjony. Raha ny fihevitry ny olona hatrany dia azo eritreretina ny efa namonoana azy mialoha ity nanatonana azy ity. Nivarahotsana izay nahita ary indrindra fa ny vehivavy teo amin’ny manodidina. Mirongatra ny heloka bevava ary mbola omaly koa no nisy nahita zaza izay nalevina ny tapany ambany ka ny lohany sisa no hita maso. Mbola teto an-drenivohitra hatrany no nahitàn’ny olona an’izany. Omaly ihany dia efa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ireo heloka bevava karazany roa ary nampihorohoro ny maro.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.