Toamasina : Tovolahy roa niara-maty natelin’ny ranomasina

Jacaranda
Tovolahy 16 sy 18 taona ireo namoy aina.

Isan’ny ranomasina mahery izay saika manomo olona hatrany isan-taona, ny moron-dranomasin’ny Lycée J. Rabemananjara ao Salazamay Toamasina, nefa tsy mahasakana ireo mpilomano ny mandro aminy, noho fahitana ny herin’ny onja; izay manome fahafinaretana ho an’ireo tia milomano an-dranomasina. Ny zoma teo araka ny angom-baovao, dia nisy mpinamana efa-dahy izay samy zanaky Toamasina sy mahalala tsara ny ranomasin’ny Lycée J. Rabemananjara ity nilomano taminy. Samy naira-lasan’ny ranomasina izy efa-dahy ireo nandritra izany, saingy avotra ihany raha nitsipatsipaka tao anaty rano nanavotra  aina ny roa lahy, ny roa kosa dia i David 16 taona mipetraka ao Andranomadio sy Roméo 18 taona mipetraka ao Ankirihiry no tsy avotra ka lasan’ny rano sy nateliny. Nanomboka ny zoma teo ny fikarohana azy roa lahy ireto, saingy niala maina ireo mpikaroka azy  ny zoma sy ny sabotsy, voatery naka an’ingahy Lalaina “zana-drano” izay mahay manokana amin’ny fikarohana ireo olona atelin’ny rano, nolovainy tamin’ny rainy Atoa Solo Raphael. Nitohy ny alahady izany niaraka tamin’ ingahy Lalaina ka tokony ho tamin’ny 8ora ny alahady dia hita ny razana voalohany i Roméo, tokony ho tamin’ny 11ora sy 20min kosa ny alahady io ihany, dia hita koa i David. Manao antso avo ho an’ny rehetra anefa ingahy Lalaina “zana-drano” amin’ny fitandremana mikasika ny ranomasin’ny Lycée J. Rabemananjara io, satria be loatra ny rano mifanohitra (courant) ao anatiny ka izany no miteraka fahalasan-drano sy fahafatesan’ny mpilomano aminy. Ny ray aman-drenin’izy mirahalahy mpinamana ireto koa nitondra hafatra ho an’ny zanaka sy ny ray aman-dreny mba hanara-maso ny zanany ihany amin’izao fialan-tsasatra izao mba tsy ho tonga ny loza vao samy ho taitra ny rehetra.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.