Soanierana Ivongo : Tovolahy vao afaka Bepc maty voatifitry ny andian-jiolahy folo

Miverina indray ny tsy filaminam-bahoaka ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Mitobaka mantsy izao ny resaka lavanilina, eo koa ny fahatongavan’ireo Sri-Lankais tonga maro any an-toerana milaza ny hividy vatosoa noho fahavakisan’ny kariera ao amin’ity distrika ity, izay voalaza fa ahitana Rubis sy safira araka ny angom-baovao natao. Tao amin’ny kaominina Ambodiriana izao dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo, ka ity fianakaviana iray izay mpamboly sy mpandraharaha ara-lavanilina iray ao amin’ity kaominina ity no lasibatr’ireo andian-jiolahy miisa folo nitondra basy tamin’izany. Tsy misy ny alaharo fa avy hatrany dia nandrahona sy nitifitra ireto andian-jiolahy ireto, ka noho ny fiarovan’ity tovolahy vao 16 taona sy vao afaka BEPC farany teo ny ray aman-dreniny mba nahafahan’izy ireo nitsoaka, dia maty voatifitr’ireto andian-jiolahy ireto ny tenany. Naratra mafy kosa ireo telo hafa tao an-trano niaro kosa ity tovolahy ity. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lavanilina masaka an-jatony kilao tao amin’ity fianakaviana ity, lasan’ireto andian-jiolahy koa ny vola tahiry nandritra izany.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.