Morondava : Tafakatra an-tanàna ny ranomasina, nihorohoro ny mponina



Jacaranda

Tranga nahavalalanina ny maro izay mbola tsy fahitan’ny mponina tao an-drenivohitry ny faritra Menabe no niseho afak’omaly tolakandro tokony ho tamin’ny efatra ora, tao an-tampon-tanànan’i Morondava. Ny andro io, raha ny tati-baovao voaray, dia nikoropaka ny rehetra fa niakatra an-tanàna ny ranomasina, ka toerana maro no dobo rano nefa tsy nisy orana latsaka, toy ny tao Morondava-centre, Nosy kely, Kimony, Ankisirasira, Tanambao sy Ambalanomby, . . . Raha ny fanazavana azo tamin’ny tompon’andraikitra, dia fiakaran’ny ranomasina ambony (très forte marée haute) noho ny tsinam-bolana no nitranga, fa tsy « tsunami » izany, araka ny feo miely amin’ny tambajotra serasera facebook. Tamin’ity tranga niseho ny talata teo ity, araka ny akom-baovao voaray hatrany, dia tsy nisy ny aina nafoy, fa an-jatony kosa ny trano dobo rano masira.

Eric Manitrisa

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. @Vohimarina: Halohalika ny ranomasina fa tsy ranombary. Tsisy mamboly vary any…

  2. Efa ela ihany no efa fantatra fa mikiky tsikelikely eny @ iny faritra iny ny ranomasina, manampahaizana no nilaza izany an. Nisy nihaino ve? Ka mila fepetra enjana ho fiarovana ny morondranomasina, efa tokony natao hatry ny ela. Izao efa halohalika ny ranombary araka ny filaza.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.