Alarobia : Tsy nivoaka ny “airbag”, iray no maty

Tokony ho tamin’ny iray ora antoandro omaly, no niseho ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty olona iray. Nandeha mafy ary nisongona an-kavanana, raha araka ny fitantaran’ny olona ny fiara sprinter. Nifatratra tany amin’ny kamiao iray io fiara io ka noho ny hamafin’ny fifandonana, dia namoy ny ainy ny mpamilin’ilay  sprinter. Mafy ny dona ary tsy nivoaka ny “airbag” na ny aroloza anaty fiara. Maty tsy tra-drano ny mpamily vokatr’izany. Ilay sprinter dia nofain’ny sinoa mpanao làlana mba hivezivezena mandritra ny fanamboarana ny làlam-baovao Alarobia-Tsarasaotra. Momba ilay kamiao indray, dia teo am-pihodinana izy no nidona tamin’ilay sprinter; izay tsy tafajanona avy ao aoriana. Naratra avokoa ny olona tao anatin’ilay fiara voalohany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tena tsy misy taitra tokoa amin’ny ataon’ireto vahiny sinoa ireto eran’ny tanàna.
    Fasa’olona loharana dia atototra rocade sy lalam-be isankarazany ny tany avy any.
    Atao ny asa ary mapmiasa olona hiara-miasa fa tsy misy fitsinjovana na dia kely akory aza izany hatao hoe aro fenitra izany.
    Dia mandeha ho azy tokoa ka ny airbag no diso ary ny soupiraintera no diso nataon’ny rainiboto misosa loatra ka ny gasy kely be tongotra mpanao hitsa-peta no manefa aina vokatry ny tsy fisian’ny rafitra entitra eto amin’ny fanaovan-draharaha.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.