Ivato : Nosamborina ny mpanao « sondage »



Jacaranda

Nitangoronan’ny olona ireo mpanao fanadihadiana tetsy Ivato. Izy ireo dia avy amin’ny Madagascar Exit Poll, sampana izay tsy fantatra loatra ny fisiany ary nanontany mivantana ny vato izay nalatsaky ny olona, izany hoe ny kandidà. Nahatezitra ny olona izany satria tokony ho tsiambaratelon’ny tsirairay. Voatery niditra an-tsehatra ny zandary ary ny anton’izany dia mba ho fiarovana ireo olona mba tsy hiharan’ny fitsaram-bahoaka ary koa nentina avy hatrany any Ankadilalana mba hatao fanadihadiana. Tsy eto an-drenivohitra ihany no nisy io tranga io, jerena lahatsoratra etsy ankila.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.