Atsimondrano : Tokantrano dimy nasesin’ny jiolahy notafihana

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny kaominina Ambalavao, distrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alarobia lasa teo. Trano dimy no indray nasesin’andian-jiolahy notafihana. Araka ny fampitam-baovao azo dia tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy, saingy tombanana ho an-tapitrisany maromaro any ho any kosa ny vola sy ny entana lasan’ireo olon-dratsy.

Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, tonga tao amin’ireto fokontany roa, Antamboho sy Ambohidahy, ao amin’io kaominina voalaza etsy ambony io ireo olon-dratsy. Sivy lahy ihany koa izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Tsy nisy nisaron-tava, ary samy nirongo basim-borona sy ny zava-maranitra isan-karazany. Efa saika tapi-mandry avokoa ny mponina tamin’io ora sy fotoana io, eny fa na dia nisy aza ireo olona tara fodiana manao dia maika hamonjy ny fonenany. Nentina nampitahorana ireo mponina araka izany, dia nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Ary dia nandaitra tokoa satria dia samy nitampify tsy nisy sahy nivoaka ny trano intsony ireo voatafika. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotan’izy ireo nanao ny asa ratsiny. Niditra am-boletra tao amina tokantrano maromaro tao an-toerana. Ny efatra tamin’ireo dia tao  Antamboho ary ny iray tao Ambohidahy. Vola maromaro no voalaza hatreto fa lasan’ireto olon-dratsy, niaraka tamin’ny entana sy firavaka sarobidy isan-karazany. Rehefa nahazo izay nilainy izy ireo, dia nitsoaka toy ny tsy teo. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo zandary misahana izany faritra izany, nanao ny savahao ny manodidina, saingy efa nanjavona sy nafenin’ny alina ireto mpanafika ireto. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana azy ireo miaraka amin’ny fanadihadiana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.