Ankerana : Jiolahy tra-tehaka saika hamaky trano



Jacaranda

Tratra am-body trano ! Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy raha saika hamaky tranon’olona iray teny amin’iny faritra Ankerana iny, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nampoizin’ilay ranamana ity tokoa fa nisy « camera de surveillance » ilay trano, izay nahitàna azy tsara nivezivezy nitady hirika hamahana varavarana. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tokoa dia taitra ny tompon-trano fa naheno olona nivezivezy tao an-tokontany. Nojerena avy hatrany amin’ilay alalan’ny « camera » izany ary hita teo tokoa ity olon-dratsy. Niantso pôlisy avy hatrany ireto voatafika, ary tonga haingana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Asa na mahana tamin’ny fikoropahana tao an-trano angamba ilay mpangalatra ka lasa nandositra, saingy nifanena tsara tamin’ireo pôlisy. Rehefa nosavaina dia mbola nahitàna fitaovana maromaro, toy ny baramina sy « pince » maromaro tany aminy. Niaiky ihany koa ingahirainy fa niomana ny hamaky io trano io tokoa izy, rehefa nitady nandritra ny fotoana maro, izay trano mora novakiana teny an-toerana. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ity lehilahy ity taorian’ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.