Antsirabe Saron’ny mpitandro filaminana ny mpanendaka 15 lahy



Jacaranda

Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ireo tontakely sy jiolahy ary mpanendaka eto Antsirabe sy ny manodidina. Mpanendaka 15 lahy indray mantsy no sarona. Taorian’ny niakaran’ny raharaha teo amin’ny fitsarana dia nahiditra am-ponja avokoa izy 15 mirahalahy. Noho ny hamaroan’ny taratasy fitarainana voarain’ny mpitandro filimanana mahakasika ny resaka fanendahana tamina toerana telo teto Antsirabe dia voatery nanaovana hetsika manokana ireo toerana telo ireo. Isan’izany ny ao Andranomandevy, izay mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina tokoa raha ny afitsok’ireo jiolahy. Toy izany ihany koa ny toerana mifanakaiky aminy ao Atsimontsena. Nandrenesana fitarainana toy izany ihany koa ao amin’ny manodidina ny gara. Nanao ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana tamin’ireo toerana ireo ka maromaro no vosambotra. Ireo namany voasambotra no nanondro ny namany hafa ka nahatratra 15 no vosambotra hatreto. Misy amin’ireo vosambotra ireo no miasa amina orinasa tsy miankina miantoka fiarovana eto Antsirabe. Fantatra fa mbola maro ireo naman’ireo voasambotra no voarohirohy sy voatonona anarana ary efa eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.