Andravoahangy Lasa mpanafilka hatramin’ny peratra mariazy

Jacaranda

Nalaina ny vola, ny kojakojan-tokantrano toy ny fahitalavitra sy ny solosaina ary ny finday. Tsy vitan’izany, fa mbola nalain’ireo olon-dratsy teny an-tànan’ny tompon-trano koa ny peratra mariazy sy vodiondry. Mbola niampy ny karatry ny banky; izay maromaro aza izany. Tao anatin’ity fanafihana ity dia mbola nentin’ny olon-dratsy koa ny kara-panondron’ny tao an-trano. Izany no nitranga ny maraim-ben’ny zoma teo, manodidina ny tamin’ny roa ora. Dimy lahy no tsikaritry ny tompon-trano ho nanafika azy ireo. Nitondra zava-maranitra toy ny sabatra sy ny antsy izy ireo. Raha ny fanamarihana azo avy tamin’ny zandary izay nanokatra ny fanadihadiana, dia mitentina 5,6 tapitrisa ariary ny vola izay azon’ireto jiolahy izay nitsoaka nianavaratra ary tsy taitra akory nandritr’izany fa nandeha an-tongotra moramora. Momba ny fanafihan-jiolahy ihany, dia fantatra koa fa nisy iray hafa tetsy Andramasina ny maraim-ben’ny alakamisy hifoha zoma. Io indray dia tokantrano telo no indray nasesin’ireo olon-dratsy; izay nanapoaka basy mba hampihemotra ny olona tsy hiditra an-tsehatra. Basy vita gasy sy zava-maranitra ny teny an-tànan’ireo olon-dratsy. Vola mitentina 7,4 tapitrisa ariary ny fitambaran’ny lasan’ireo tamin’ireo toerana telo. Lasa koa ny firavaka volamena sy ny entam-barotra isan-karazany, satria nisy mpivarotra ny iray tamin’ireo. Adiny iray taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana ka na nisy aza ny fisafoana natao, dia tsy nahitam-bokany intsony izany. Isan-taona dia miakatra hatrany ny tahan’ny fanafihan-jiolahy rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.