Hain-trano tetsy Isotry : Nisy nangalatra koa ny fitaovan’ny fiangonana

Mbola nisy ihany ny sahy nanararaotra tao anatin’ny fahorian’ny olona. Nandritra ny firehetan’ny trano tetsy Ambodinisotry no nisy koa ny tsy vanona izay namaky ny fiangonana ka nibata ny entana maro tao. Tamin’io alarobia io, lasan’ny olon-dratsy ny fitaovana fanamafisam-peo ary koa ny zava-maneno hafa. Nanjavona tao ny vata maro afitsoka ary koa ny « synthétiseur » izay an’ny fiangonana. Nobatain’ireo olon-dratsy koa ny « baffles » sy ny kojakoja hafa ; izay isan’ny tena ampiasaina isan’alahady. Nisy ihany ny olona nahita ny nibatan’ireo olon-dratsy ny entana, saingy efa tao anatin’ny korontana dia tsy tonga saina intsony ny amin’ny hoe mpangalatra ireo. Ny tao anaty eritreritry ny olona aza dia ny hoe olon-tsotra tsara sitra-po mba manampy ny fiangonana amin’ny fanavotana ny entany tsy ho may ireo olona ireo. Isan’ny tao anatin’ny faritra izay nirehitra tokoa mantsy ilay toeram-pivavahana, hany ka nifamonjena , toa ny trano hafa, ny entana izay azo navotana. Raha tsiahivina dia niainga tao amin’ny trano hazo iray ny afo izay nateraky ny fifampikasohan’ny herinaratra. Niitatra tamin’ny trano manodidina ny afo rehefa tsy voafehin’ny olona teo an-toerana ary, dia niafara tamin’ny fahamaizan’ny trano hazo 35 sy trano biriky dimy. Ny eto amintsika izany dia ny halatra sy ny fitiavan-tena foana aloha no mibahana raha vao misy ny toe-javatra hahafahana manatontosa izany. Na dia fiangonana aza dia mbola misy sahy mangalatra ihany ny fitaovany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.