Fikambanana « VITAL Fampandrosoana » : Tsy nanadino ireo zanaky ny mpikambana

Jacaranda

Isan-taona dia tsy manadino ny zanaky ny mpikambana ao aminy ny fikambanana “Vital Fampandrosoana” izay tarihan’Atoa Mananjara James Antonio. Ho famalifaliana sy ho fampitoviana ny zanaky ny mpikambana amin’ny mpiara-monina aminy, izay avy amin’ny fianakaviana sahirana ny ankamaroany, dia nanolotra fanomezana samy hafa toy ny kilalao ireo ankizy sy zaza miisa 80 latsaky ny 12 taona, sy solom-bodiakoho koa ireo lehibe, ny filohan’ny fikambanana sy Ramtoa vadiny, lanonana izay natao tao amin’ny foiben’ny fikambanana tao Ankirihiry avaratra. Nohararaotin’ny filohan’ny fikambanana “Vital Fampandrosoana” Mananjara James Antonio ihany koa anefa ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, nilazany fa tokony samy ho tony eo am-pianadrasana ny valim-pifidianana ofisialy avoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny rehetra, indrindra ny mpanao politika, ary ireo mpanohana ny kandida roa lahy niatrika ny fihodinana faharoa farany teo. Mila miaina ao anatin’ny filaminana eo am-piandrasana ny famaranana ity taona 2018 sy eo am-pidirana ny taona vaovao 2019 ny vahoaka malagasy, izay efa mahantra sy sahirana tanteraka.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.