Morafeno-Tsaratanàna : Vehivavy iray no nisy naka an-keriny, telopolo tapitrisa no takian’ny jiolahy

Jacaranda

Vehivavy iray no nisy naka an-keriny tany amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Betrandraka, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny alin’ny alarobia lasa teo. Fantatra izao, fa efa mandeha sahady ny fitakiam-bola ataon’ireo jiolahy ny amin’ny fianakavian’ity ramatoa ity, izay manodidina telopolo tapitrisa ariary eo. Na izany aza dia mampanahy mafy ny fianakaviany ny ain’ilay vehivavy. Tsy hay anefa izay manjo azy hatramin’izay fotoanana nitazoman’ireto mpaka an-keriny azy any. Raha tsiahivina dia zanakan’ambavin’ ny lehiben’ny dinam-pokonolona eto Betsiboka ity ramatoa nalain’ny jiolahy an-keriny tao amin’ny fokontany Morafeno ity, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora alina. Dahalo nirongo basy izay tsy voafaritra isa no namita ny asa ratsy. Tonga dia nidiran’izy ireo an-keriny tao an-trano izy sy ny vadiny. Ilay ramatoa anefa no nentiny nitsoaka fa ny vadiny navelan’ny jiolahy teo ihany. Efa nisy hatrany ny fiaraha-miasa ataon’ny fianakaviany amin’ireo zandary any an-toerana, ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha amin’izao.

Ratantely

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.