Ambohidratrimo : Vehivavy hita faty sy may nodorana tao an-tranony

Jacaranda

Zava-doza no nitranga tao Antanety,  kaominina Mananjara, distrika Ambohidratrimo, ny alarobia 02 janoary teo. Vehivavy iray no hita maty  sy may  tao an-tranony raha araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Raha araka ny fanazavana, dia olona akaiky azy no nahatsikaritra ity tranga ity  tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro tany ho any. Ny mahagaga, dia tsy may ny trano nefa araka ny tombatombana dia ahiana ho nodorana tamin’ny lasantsy ity vehivavy  ity rehefa avy novonoina. Efa manao ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ankehitriny ny zandary ao Mahitsy ka ho hita eo ny ho vokatr’izany. Tsy mbola misy anefa ny olona ahiahiana ho nahavanona  izao habibiana izao, raha araka ny  voalazan’ny zandary hatrany. Ireto farany  izay efa manomboka maka am-bavany ny fianakaviana tompo-manjo.

T.M.

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.