Fikambanamben’ny Sinoa eto Toamasina : Nanolotra fitaovam-pianarana sy vola ho an’ny EPP telo

Jacaranda

Ny zoma teo no natolotry ny fikambanam-ben’ny Sinoa monina sy miasa eto Toamasina ireo EPP telo notsongaina manokana tamin’ity taona ity, ireo fitaovam-pianarana sy fanampiana ara-bola nomen’izy ireo izay notarihan’ny filohan’ny fikambanam-ben’ny Sonia eto Toamasina Atoa Zhang. Fitaovam-pianarana feno (kits scolaires) miisa 200 avy no nomena ny EPP Lovasoa, EPP Le Conte de Lisle ary ny EPP Béryl Rose, izay mbola niampy vola iray tapitrisa ariary avy izay ho fanampiana ny sara-pidiran’ireo mpianatra malagasy tena sahirana amin’ireo sekolim-panjakana ireo. Andiany fahatelo amin’ny fanampian’ny fikambanam-ben’ny Sinoa miasa sy monina eto Toamasina izao fanampiana nataon’izy ireo izao, satria isan-taona nanomboka ny taona 2017 dia misafidy sekoly EPP telo homena izao fanampiana izao hatrany izy ireo. Ho an’ny SISCO Toamasina I, Atoa Sambany Frédéric, izay mpiara-miasa amin’ireto fikambanam-ben’ny Sonia eto Toamasina ireto dia tena zava-dehibe ho an’ny sekoly nahazo izany ny fanampiana satria tena manome ezaka be ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny fanampiana natao izao ; ny lehiben’ny faritra atsinanana izay mpiara-miasa amin’ireo fikambanam-ben’ny Sinoa ireto koa nanamafy fa tsy tokony ny eto an-drenivohitra ihany ny EPP omena fanampiana fa maro ireo sekolim-panjakana sy ny mpianatra malagasy sahirana ihany koa any ambanivolo rehetra any ka tsara omena fanampiana tahaka izao ihany koa. Ankoatra izay ho an’ny fikambanana « Ino Maresaka à Tamatave » (IMT) ihany koa tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo mpiakmabana ao aminy monina any ampitan-dranomasina, dia nanolotra fanampiana « table banc » ny EPP tao Mahavelona Foulpointe ihany ko aizy ireo. Ity EPP ity izay amin’ny tany ny mpianatra no mandrato ny fianarany nefa sekoly miala 40Km ny renivohitra ara-toe-karena malagasy monja no misy ity sekoly vao nomena fanampiana « table banc » ity raha ny fanazavan’ny IMT ihany.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.