Halatra taribin’ny Jirama Volobe : Tratra izy roa lahy isan’ny anaty tambajotra

Jacaranda

Antony roa no miteraka ny delestazy lavareny eto Toamasina, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Jirama Toamasina. Eo aloha ny tsy fahampian’ny solika manodina ireo milina mpamokatra herinaratra noho ny resaka ara-bolan’ny Jirama.  Eo ihany koa anefa ny halatra tariby, satria ny tariby mpitondra herinaratra Volobe – Toamasina renivohitra mihitsy no misy malagalatra, nefa i Volobe sy ny 06MW vokarany izao no mampihena ny ora fanaovan’ny Jirama delestazy eto Toamasina. Nanomboka ny zoma sy ny alahady teo anefa dia tariby mirefy 950m no very nisy nangalatra ka niteraka hamafin’ny delestazy teto Toamasina ny fahatapahan’ny famatsian’i Volobe an’i Toamasina renivohitra. Efa tafaverina ny famatsian’i Volobe an’i Toamasina renivohitra izao ka hivadika ny maraina indray ny fomba fanaovana ny delestazy ara-tsolika, ka hifandimby tapaka manomboka amin’ny 05 ora maraina hatramin’ny 01 ora ny herinaratra amin’ireo faritra efatra efa notsongain’ny Jirama. Izany hoe adiny roa isan’andro izany ny fahatapahana eto Toamasina manomboka izao ifandimbiasan’ireo faritra efatra ireo manomboka androany. Ankilan’izany dia nanao ezaka ny Jirama sy ny Zandrimariam-pirenena Toamasina nikaroka ireo andian-jiolahy mpangalatra taribin’ny Jirama ny faran’ny herinandro teo io, ka ny roa tamin’izy ireo no tratra ambodiomby teo am-pibatana ilay tariby avy nangalarina, mponina ao Vohitsara sy Antananambo Toamasina II izy roa lahy tratra ireto. Raha nanontaniana izy roa lahy dia maromaro izy ireo no ekipa iray, ka hamidin’izy ireo amin’ny mpividy avy any Antananarivo 2.000 ariary ny kilao amin’ireto tariby vita amin’ny viraty ireto. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fananan’ny Jirama sy ny fitantanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny orinasa, Atoa Koto Roger, dia mitentina 100 tapitrisa ariary ny fatiantoky ny Jirama tamin’izao fahaverezana tariby vita amin’ny Viraty izao, ary mitentina 87 tapitrisa ariary isan’andro ny fatiantoka tamin’ny famokarana sy ny varotra tao anatin’izany. Raha ny 14 taona efa niadivan’ny Jirama Toamasina tamin’izao halatra tariby viraty izao dia efa kilometatra maromaro izany no very, ary efa amina miliara ariary ny fatiantoka. Manginy fotsiny ny fitarainan’ny mpanjifa sy ny mponina. Ankoatra izay, mbola misy am-polony izany ireo tambajotra mpiara-miasa amin’ireto andian-jiolahy tratra ireto, ka mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana hiarahan’ny Jirama sy ny Zandary.

Malala Didier

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.