Fikambanana “Entendre dans le Monde” sy ny “Newrest” Toamasina : Nanao fandidiana maimaimpoana ireo olona manana olana ara-pihainoana

Ny alarobia 16 janoary nitohy ny alakamisy 17 janoary teo, ny fitsirihana sy ny fandidiana ary ny fametrahana ireo fitaovam-pihainoana ho an’ireo olona nahazo izany, noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana “entendre dans le monde” sy ny orinasa “newrest” ary ny orinasa Ambatovy Toamasina. Talohan’izao hetsika izao, dia efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ireto mpitsabo  enina avy any Frantsa ireto tany Mahavelona Foulpointe sy Brickaville ary teo koa ny tany Mahanoro sy Vatomandry. Nahazo tombony tamin’izao hetsika izao ireo ankizy eo anivon’ny sekoly ny manana fahasembanana ara-pihenoana SEMATO, satria ireo ankizy latsaky ny 15 taona heverina fa mbola azo navotana amin’ny alalan’ny fandidiana sy fametrahana fitaovana manokana fihainoana, dia nezahana navotana amin’izao hetsika fiaraha-miasa izao. Andiany faha-3 eo amin’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana “entendre dans le monde” sy ny orinasa “newrest” ary Ambatovy, niaraka tamin’ny hopitaly ben’i Toamasina ary ny hopitaly Morafeno izao hetsika izao. Ezahina hitarina any Alaotra-Mangoro ny hetsika ny taona ho avy 2020. Ho an’ny orinasa “newrest” tamin’ny alalan’ny tale jeneraliny, Atoa Julien BONY dia ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny fanatsarana ny fiainany izao fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambanana “entendre dans le monde” izao. Ankoatr’izany dia nahafa-po ny fandidiana sy ny fametahana ireo fitaovam-pihainoana nataon’ireto mpitsabo enina mianadahy avy amin’ny fikambanana “entendre dans le monde” sy ny orinasa “newsrest” ary ny orinasa Ambatovy, teo koa ireo mpitsabo teo anivon’ny hopitaly be sy ny hopitaly Morafeno Toamasina, satria maro tamin’ireo nozahana no afaka tsara nodidina sy nametrahana ireo fitaovam-pihainoana ireo. Nandritra izao fiaraha-miasa izao ihany koa no nisian’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, teo amin’ireto mpitsabo vahiny ireto sy ireo mpitsabo Malagasy, mikasika ny fikolokoloana sy fandidiana ny sofina ary ny fomba fametrahana ireo fitaovam-pihainoana samihafa ireo; izay inoana fa hanatsara ny fandraisana ireo marary.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.