Halatra taribin’ny Jirama Toamasina : Nahazo fahafahana vonjimaika ny iray, miandry fitsarana am-ponja ny namany

Jacaranda

Ny alakamisy teo no niakatra fitsarana ilay raharaha fahatrarana ambodiomby ireo roa lahy, isan’ny tamban-jotra mpangalatra taribin’ny Jirama Toamasina; tamba-jotra mampitohy ny toby famokarana amin’ny alàlan’ny rano ao Volobe Toamasina II sy Toamasina renivohitra. Nandritra izany, dia ny iray ihany no miandry fitsarana am-ponja raha nafahan’ny fitsarana ny namany; raha ny angom-baovao natao dia nisy olombe an-tanana teto Toamasina nanao fanelanelana ny iray tamin’ireto tovolahy tratra tao Toamasina II niaraka tamin’ny taroby 180m nitadiavana mpividy. Tsy sambany izao fanelanelanana izao raha ny voalazan’ny Jirama amin’ireo mpangalatra ny toribin’izy ireo na tratra ambodiomby aza, fa efa maro satria ireo tratra hatramin’izay dia saika nahazo fahafahana vonji- maika avokoa raha tsy afaka madiodio eo anivon’ny fitsarana hoy hatrany ny Jirama Toamasina mitaraina. Raha atambatra anefa ny tariby very tao anatin’ny 14 taona niadian’ny Jirama tamin’ity halatra tariby ity, dia efa nahatratra 1.750 km ka ny 950m amin’izany dia nitranga ny volana janoary ity monja ; izay hoe taona vao miandoha. Raha ny angom-baovao teo anivon’ny Jirama Toamasina ihany, dia misy mandrahona mihitsy ireo olombe mpanelanelana ireo, fa tsy ho resinareo mihitsy ny herin’ny vola sy herin’ny omby, ka na ianareo manaiky mora sy alainareo ny taribinareo tratra, na miala maina ianareo amin’ireo raharaha halatra tariby ireo. Ankoatra izay, ny alarobia 16 janoary teo dia niampy 150m indray ny taribin’ny Jirama very teto Toamasina manampy ireo very 950m teo aloha, izany hoe efa mananika ny iray kilometatra ny tariby vita amin’ny Viraty ny Jirama nisy nangalatra hatreto. Ny tena olana hoy ny Jirama, dia an-tapitrisany no hividianan’ny Jirama ny metatra amin’ireo vita amin’ny Viraty ireo, nefa dia 2.000 ariary monja no hivarotan’ireo mpangalatra izany amin’ireo mpividy azy. Miantso fiaraha-miasa amin’ny vahoaka noho izany ny Jirama hiaro ny fananam-bahoaka mba tsy hisian’ny fitohizan’ny delestazy lavareny na eo aza ny olan’ny solika miteraka fahatapatapahana izao.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.