Sambava : Pasitera nanolana vehivavy tera-bao

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho, tany amin’ny Kaominina ambanivohitry Marojala Lokoho, Distrikan’i Sambava. Araka ny tati-baovao voaray, dia pasitera amperin’asa amina fiangonana zandriny iray any an-toerana no voatondro nanolana vehivavy vao tera-bao roa volana, ny alatsinainy naraina teo, tokony ho tamin’ny fito ora. Ity renim-pianakaviana ity, raha ny fantatra, dia maty zanaka teo am-piterahana, ary mpiara-miangona amin’ity mpitondra fivavahana ity, ka antsoiny matetika hoe : “belle soeur”. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy tao an-tranony ny vadin-dramatoa ka nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ity pasitera voalaza fa efa niasa dimy taona tamin’io tanàna io. Taorian’ny fahotana mahafaty vitan’ilay mpitandrina, dia nitantara ny fomba mamohehitra nihatra taminy, tany amin’ny rafozam-badiny ravehivavy, ka vetivety dia niely eran’ny tanàna ny vaovao. Raha vao naheno izany rangahy tompom-bady dia romotry ny hatezerana, ka nitoroka tany amin’ny lehiben’ny Fokontany. Nampanantsoina “Dadapasy” nefa tsy nety nipoitra mihitsy, ary nilaza fa afa-baraka izy ka nangataka tamin’ny lehibeny mba hafindra toerana haingana. Noho ny tahotry ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka, dia nitsoaka niaraka tamin’ny vady aman-janany an’i Manakana voalaza fa toeram-piaviany ity mpitondra fivavahana ity, ny zoma teo, ka tsy niandry akory ny valin’ny fangatahany hafindra toerana na ekena na mbola hodinihina. Rahampitso talata ho hahazo pasitera vaovao ity Fiangonana ity hisolo an’ilay mpitandrina nandositra. Raha ny fantatra, dia saika tsy hanaiky ny fomba mamohehitra nihatra tamin’ny andefimandriny rangahy tompom-badiny, saingy taorian’ny fifandresehan-dahatra nataon’ny avy amin’ny Fiangonana foibe nandamina ny raharaha, dia nilefitra ihany ity raim-pianakaviana.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.