Anosibe : Lasan’ny efa-dahy nitam-basy ny 90 tapitrisa ariary

Manodidina ny mitaovovonana omaly, tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tetsy Anosibe, no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy izay mandeha scooter roa, izany hoe samy manao taingin-droa, no tompon’antoka tamin’ilay asaratsy. Mpiasa eo anivon’ny orinasa mpanamboatra zava-pisotro misy alikaola no voaroba. Izy roa lahy ireo dia vao avy naka vola tany amin’ireo toeram-paninjara ny toaka vokarin’ilay orinasa. Raha ny fantatra avy amin’ny loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia mitentina 90 tapitrisa ariary no voaroba. Vola izay vao avy nalaina ireo ka saika haterina eny amin’ny banky. An-dàlana ho any amin’ny banky rahateo ireo olona, nandeha fiaran’ny orinasa, no voaambana basy. Tsy nisy azo natao ankoatra ny nanome ny vola tao anatin’ny fiara. Poa toa izay koa dia efa tsy hita izay nandehan’ireo jiolahy nandeha scooter. Omaly ihany dia nanokatra fanadihadiana ny polisy noho ity heloka bevava tamin’ny andro antoandro ity. Roa izany no fanafihana nitranga tao anatin’ny fotoana saika nitovy nandritra iny andron’ny alatsinainy iny. Ankoatra ity nitranga tetsy Anosibe ity mantsy dia voatafika koa ny toeram-pivarotan-tsolika iray etsy Iavoloha (jereo lahatsoratra etsy ankila). Vao manomboka izany ny herinandro dia efa ny asan-jiolahy no mitady hanamarina izany. Indrindra koa, eny amin’ny toerana be olona sy betsaka mpifamezivezy no sahin’ireo olon-dratsy ny anaovana ny asaratsiny. Raha jerena tsotsotra ny tranga dia toa efa fantatry ny jiolahy hatrany ny fivezivezen’ny vola eto an-drenivohitra. Na ny fotoana hanatontosàna ny asaratsy aza dia toa efa vita kajikajy ary voakendry ho amin’ny tsy misy manohantohana. Nefa dia antoandro hatrany…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire