Betafo : Gadra tokony hanefa ny saziny, hita mivarona ao an-tsena

Nanaitra ny mponina ny nahita ity rangahy iray tokony hanefa ny saziny any am-ponja nefa  hita mivarotra ao an-tsena. Niteraka resa-be tao Betafo izany ary saika nampisahotaka ny olona mihitsy satria efa nandeha ny feo fa raha tsy mahatazona azy araka ny hireharehavany ny fonja dia ny mponina no handray azy. Fantatra rahateo ny fitsaram-bahoaka mpiseho ao amin’ity distrikan’i Betafo ity. Raha tsiahivina dia voarohirohy tamina resaka vaky trano nandritra ny zaikaben’ny FLM natao tany Betafo ity ranamana ity ny faramparan’ny taona 2018 . Nahita faisana avokoa na ireo vahiny na ny tompon-tany taminin’izany. Nandeha ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana ka roa no tratra, mpamerin-keloka ny iray, ary ity farany no resahana eto. Fantatra fa 20 volana an-trano maizina sazy mihatra no niandry azy taorian’ny fitsarana . Tsy dila akory anefa ny volana vitsivitsy dia io ingahy rainy fa hitan’ny olona mivarotra io. Fantatra fa nafindra tao Betafo izy iray volana izay nefa tokony ho ao amin’ny fonjan’Antsirabe no misy azy. Tsy hay aloha izay antony fa dia io no zava mitranga. Nampandre ny mpitandro filaminana ny mponina, nosamborina indray ilay rangahy ary averina hatolotra ny fitsarana. Isan’ny mampirongatra ny fitsaram-bahoaka ny zavatra toy itony, Betafo rahateo efa nisehoana sakoroka sy fitsaram-bahoaka mamaivay ny taona lasa teo iny.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.