By-pass : Fiara nandona moto karohina

Nitsoaka rehefa avy nandona moto. Naratra mafy ny mpitaingina ilay kodiaran-droa kanefa tsy nijanona ilay fiara fa nitsoaka, nirifatra mafy niala teo an-toerana. Teo amin’ny By-pass, ny alin’ny alahady teo, no nitranga ity lozam-pifamoivoizana izay hivadika heloka bevava ity noho ny fitsoahan’ny mpamily. Ny tsy nampoizin’io farany dia ny nilatsahan’ny « plaque d’immatriculation » an’ny fiarany teo an-toerana. Avy hatrany dia io no nanaovana fanadihadiana avy amin’ny fijirihina izay tompon’ny fiara eny amin’ny sampan-draharaha miandraiktira izany. Ireo naratra kosa dia nentin’ny olona teny amin’ny hopitaly. Tsy ho afa-maina ny tompon’andraikitra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire