Tranombarotra Valpinson Toamasina : Tratra ambiomby ilay teratany ivoarianina mpisoloky nifampitadiavana

Teratany ivoarianona antsoina hoe Dallah, tsy manana pasipaoro any aminy nefa tafiditra tsy nisy ahiahy eto amintsika, no saron’ny polisin’ny FIP teo am-pisolokiana tranombarotra iray tao Valpinson Toamasina ny alahady 20 janoary teo. Tonga tamin’ity tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray ity teratany ivoarianina tsy manana taratasy ahafahany mipetraka eto Madagasikara ity. Nandresy lahatra an’ity tompon’ilay tranombarotra ity ny tenany fa manana vola be ka afaka miara-miasa tsara amin’ilay tranombarotra amin’ny fampitomboana ny asa fanaony, saingy raha nandeha ny resaka dia nivadika resaka fampitomboana vola ny raharaha, ary noraisiny ohatra ny vola 20 tapitrisa ariary ho lasa 60 tapitrisa ariary avy hatrany raha ataony ny fombafomba rehetra amin’izany. Hain’ilay tompon’ny tranombarotra anefa fa fisolokiana no tian’ity teratany ivoarianina atao ka nametraka vela-pandrika niaraka ny tenany sy ny FIP tamin’ny faneken’ity tompon’ny tranombarotra ity ny fangatahany fa ekeny ny fampitomboana ny vola ny 20 tapitrisa ariary nolazain’ilay teratany ivoarinina ity. Rehefa tena raikitra anefa ilay fifanarahana dia nahatsapa zavatra hafahafa ilay teratany ivoarianina, ka raha nikasa ny hitsoaka iny dia noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo fitaovana entiny milaza fa fampitomboana vola teny aminy. Ny fakana am-bavany azy no nahalalana fa ao Antananarivo izy no mipetraka na tsy manana taratasy ahafahany mipetraka eto Madagasikara aza, saingy mandeha misoloky isaky ny faritra momba ity fampitomboana vola ity ho fidiram-bolany. Ny polisy misahana ny heloka be vava no misahana ny fakana am-bavany an’ity teratany ivoarinina ity ka hatolotra ny fitsarana anio ny tenany hamaritra ny heloka vitany.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.