Vaky fiara : Eny Manarintsoa no ivarotana ireo entana halatra

Tsy vitsy tokoa ireo tompona fiara mametraka ny fiarany eny amin’ireny « parking » iraisaina ireny no mikaikaika amin’ny resaka vaky fiara. Mazàna dia ireo kojakojan’ny fiara ao anatiny no lasan’ireo tontakely, toy ny « autoradio », ny « batterie » sy ny zavatra maro hafa. Ary araka ny tatitry ny pôlisy, izay nahatratra ambodiomby ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo dia voalaza fa eny amin’iny lalamby na faritr’i Manarintsoa iny no amarotan’izy ireo vao maraina ireo entana halatra.

Ny alahady teo tokoa mantsy dia lehilahy, mipetraka any Anosizato no tra-tehaky ny pôlisy mpanao fisafoana, teny 67ha, raha teo am-pamakiana fiaran’olona teo amin’ny parking teny an-toerana. Efa avy nanao ny asa ratsiny ity farany, hoy hatrany ny tati-baovao, satria dia mbola teny aminy ny auto-radio »-n’ilay fiara avy novakiany. Ankoatra ity fitaovana elektronika ity dia mbola nahitàna lakile maromaro ihany tany aminy, izay entina hamahana ireo fiara lasibatra. Efa ampy fitaovana tanteraka sy rain-dahiny amin’ny resaka famakiana fiara ny lehilahy, satria dia efa an-taonany maro izy izay no nanao io asa ratsy io. Ary tamin’izany no nilazàny fa eny amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo no itondràna izay haza azony amin’ny alina. Amidiny amin’ny vidiny efatra alina ariary monja izany fitaovana izany, izay matetika anefa dia mety novidian’ny tompony aman’hetsiny maro na mety ho an-tapitrisany mihitsy aza. Omaly moa ity mpangalatra ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.