Vono olona tetsy Namontana : Nisy olona efatra voasambotry ny pôlisy

Nahatratra efatra ireo olona voasambotra; izay voarohirohy tamina vono olona nitranga ny tapatapaky ny volana novambra tamin’iny taona nivalona iny tetsy Namontana. Ny faran’ny herinandro teo izy ireo no nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana misahana ny ady heloka bevava sarika am-pandriana teny an-toerana. Raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho tamin’io fotoana io, araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy : « tokony ho tamin’ny 8 ora alina dia nisotrosotro tamina toeram-pisotroana iray teo amin’ny faritra Namontana ny lehilahy  efatra. Tamin’izany indrindra no nisy lehilahy roa nifanditra ka niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana izany. Nitohy tany ivelan’ilay toeram-pisotroana izany ady izany. Niezaka nandositra ihany ireo roa lahy, saingy nenjehin’izy efa-dahy ka ny iray no voasambony ary nodarohany. Noho ny vono sy ratra mafy nahazo ity voadaroka dia tsy tana ny ainy nony tonga teny amin’ny HJRA, ny alin’io alahady faha-11 novambra io. Noho izany dia tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany ny zokin’ny maty ny marainan’ny alatsinainy 12 novambra 2019. Natomboka avy hatrany ny fanadihadiana ka tamin’ny fizahana ny razana no nahitana, fa naratra mafy ny teo amin’ny faritry ny lohany, nivoaka rà ihany koa ny masony sy ny sofiny ary ny vavany. Ireo ratra ireo no voalaza fa niteraka izao fahafatesany izao araka ny valin’ny fizahana nataon’ny profesora tompon’andraikitra »

Nanomboka ny sabotsy teo ny fisamborana teny amin’iny faritra Anosy iny, ny iray tamin’ireo olona voatondro ho nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Tamin’ny famotorana ity farany no niaiky ny heloka nataony izy ary nanoro ireo namany. Ny alatsinainy teo no voasambotra avokoa izy efa-dahy tompon’antoka tamin’ity vono olona ity. Marihana, fa tamin’ny famotorana azy ireo fa resaka tsy fahaizana mihira no antony nifandiran’izy ireo ka niaraka tamin’io vono olona io.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.