Tananan’i Toamasina : Tafakatra avo telo heny ny fangataham-panamarinam-pahafatesana ny volana janoary

Samy taitra avokoa ny mpanara-baovao eto Toamasina raha nahita ny tarehimarika nivoaka avy eo anivon’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, mikasika ny isan’ireo antontan-taratasy fahangataha fanamarinam-pahafatesana tamin’ity volana janoary taona vao miandoha ity, izany hoe ny 01 janoary hatramin’ny 21 janoary teo. Miisa 228 izany fangatahana izany, izany hoe 11 isan’andro eo izany raha atao ny fanisana, nefa raha ny tranga misy hatramin’izay dia manodidina ny 80 na 90 eo izany fangatahana izany isaky ny volana janoary manontolo. Midika izany fa tena nitondra faisana noho ny valan’aretina nitranga ny mponina eto Toamasina. Isan’izany ny valan’aretina kitrotro sy ny tazomoka ary ny gripa mahery izay saika aretina vokatry ny loto avokoa, ary ireto aretina roa farany ireto tsy misy mpiteny loatra azy ny mpitsabo satria heverina ho mahazatra sy efa mpitranga mandavan-taona eto Toamasina izany. Manahy noho izany ny mponina fa mbola hitohy izany olana izany ny volana febroary io, satria tena anaty rano sy loto ary fako tanteraka i Toamasina amin’izao fotoana izao, ka atahorana indray ny tazo tena mahery, toy ny Dengues sy ny Chygungunia, raha mbola mitohy izao fahalotoan’ny tanana izao, hoy kosa ireo mpitsabo. Raha ny fanazavana azo anefa dia efa nampian’ny mpanolotsain’ny kaominina 750 tapitrisa ariary teo ilay 900 tapitrisa ariary, tetibolan’ny kaominina amin’ny fanalana ny fako sy fanadiovana tanana, nefa mbola izao hatrany no zava-misy eto Toamasina. Ankoatra izay anefa dia efa manomboka mihena kosa ny isan’ny olona manatona toeram-pitsaboana noho ilay valanaretina kitrotro, raha mahazo vahana kosa ny fanatonan’ny olona mpitsabo noho ny tazomoka sy ny gripa mahery amin’izao, ny fanafody amin’izay saika nisy fiakarany 20% avokoa ny ankamaroany, indrindra fa ireo tena ilaina.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.