Raharaha 13 mey : Afaka nody avokoa aloha izy fito mianadahy

Niakatra tetsy amin’ny fampanoavana omaly, araka ny efa voatondro, ireo olona fito izay voakasiky ny raharaha 13 mey. Tetsy amin’ny borigady manokana an’ny zandarimaria, sampana izay fantatra amin’ny fikirakiràna ny raharaha mifandraika kokoa amin’ny politika, no tonga izy fito mianadahy. Taorian’izay dia nentina tamin’ny fiarakodian’ny zandarimaria izay nisy mpialoha lalana mihitsy ary narovana fatratra. Tao amin’ny fampanoavana indray dia olona dimy tamin’ny fito no nangatahina hisolo tena. Fotoana fohy ihany dia efa nivoaka ireo ary raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsaràna sy nohamarinin’ny voakasika dia afaka mody ireo olona mandra-pisian’izay mety ho fampiantsoana indray. Izany hoe araka izay hilàn’ny fampanoavana azy ireo. Etsy andanin’izany, loharom-baovao akaiky ny raharaha no nahafantarana fa ny tsy mbola nangalàn’ny fampanoavana fanapahan-kevitra omaly zoma dia noho ny dosie izay nalefa any amin’ny minisiteran’ny fitsaràna. Izany hoe mbola hodinihin’ny minisitra vaovao aloha ny raharaha izay vao mety hitohy na tsia ny fanadihadian’ny fampanoavana. Tsikaritra ho sady faly no sahirana ireo fito mianadahy satria amin’ny lafiny iray dia mamy ny mody afaka mamonjy fianakaviana. Ankoatra izay anefa dia mbola mavesatra ihany ny mieritreritra hoe mihantona aloha ny raharaha ary hitohy araka izay hilàn’ny fampanoavana azy. Etsy andaniny koa, raha mitombina ny hoe nodinihin’ny minisitra vaovao izany ny dosie, dia azo heverina fa mbola hojerena ambony ambany ara-pôlitika aloha izany vao mety hisy ny fanapahan-kevitra. Hatreto kosa dia tsy mbola voamarina ny hoe nanaisotra ny fitoriany ny primatiora na tsia. Na ireo olona voakasika aza dia milaza fa tsy mbola mahafantatra loatra ny fahamarinan’izany. Betsaka ny mpanara-baovao no mahita fa tokony hatsahatra amin’izay ny fanenjehana raha ny momba iny hetsika iny. Efa nanaiky resy ny olona voakasika dia ny K25 izany ary nanaiky ihany koa ny nanaraka ny fifampitohizan’ny fitondràna araka ny fenitra demokratika. Tsy vitan’izany aza fa efa mba nangataka koa izy ny hijanonan’ny fifanenjehana ary hibanjinana amin’izay ny fampandrosana miaraka. Asa anefa aloha izay mety ho tohiny…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. · Edit

    Aoka izay fifanenjehana ara-politika fa aoka himbanjina izay hampandroso firenena ny mpitondra vaovao ary hahatanty fitsikerana mba hisiany
    tena demokrasia eto Madagascar

  2. Instaurer la VRAIE démocratie…..

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.