Rocade : Lehilahy iray tapa-tongotra noho ilay “gyrophare”

Anio no hodidiana ilay olona naratra. Tapaka ny ranjony. Ny anton’izany dia noho ny fampiasana ny làlana amin’ny tsy tokony ho izy izay nataon’ny manampahefana iray tsy mbola fantatra anarana hatreto. Tetsy amin’ny Rocade, teo amin’ny dongona izay natao hampihenana ny fandehanan’ny fiara no mifanohitra amin’izay no nataon’ireto fiara izay nitondra manampahefana ary misy jiro manga “gyrophare”. Raha nitandahatra nandeha mora ny fiara rehetra rehefa nandalo teo, ireo kortezy nitondra manampahefana kosa avy hatrany dia nisongosongona ary niteraka fikorontan’ny fifamoivoizana. Isan’ny nitondra ny mangidy tamin’izay ity rangahy iray nitondra moto izay tafiditra am-povoany ary tsy afaka ny nihemotra na koa handeha mafy mandroso, satria tao anatin’ny “casseur de vitesse” tanteraka. Noho ny hatairana mafy vokatry ny fandodonan’ny manampahefana azy avy tao aoriana dia voatery nitsako hisatra ary dia nitsatoka sy nianjera ny moto. Tsy materialy ny fahavoazana, fa nisy fiantraikany ara-batana tanteraka. Ratsy fianjera ary ny ranjony no tapaka rehefa nitontona tamin’ny dongona. “Tokony ho tamin’ny valo ora alina izany no niseho ny asabotsy lasa teo. Handeha hamonjy fodiana aho no niharan’ilay loza noho ny fahatairana vokatry ny fandodosana avy tao aorianako. Ny hitako farany, dia 4X4 pick-up iray no nanokatra ny làlana ary fiara mainty Mercedes no taoriana. Tsy nisy nijanona akory ireo raha nahita ahy nianjera sy naratra fa ny lohany fotsiny no navoakany. Ny fiara izay taoriana no nalahelo ary nitondra ny naratra teny amin’ny hopitaly. Iray andro monja taorian’ny baiko izay nomen’ny filoham-pirenena manoloana ny tsy tokony hampiasana intsony ny “gyrophare” no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity. Tsy vitan’izay, fa mbola nojerena fotsiny ny naratra. Mbola tsy tonga tsara any amin’ireo manam-pahefana ve ny hafatra?

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Sao dia mbola misy osy tamana t@ fomba taloha ao anaty governemanta ao ka tokony ho diovina?

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.