Tsaho niely momba ny rano teto Toamasina : Tena nahomby sy niteraka fikorontanan-tsaina tamin’ny vahoaka tanteraka

« …Mahafaty ny rano raha vao mipoitra sy azon’ny masoandro, toy izany koa ireo sakafo tratran’io tara-masoandro io », izay ilay antso voarain’ny olona tamin’ny alalan’ny finday, ny sabotsy hariva sy ny alina ary ny alahady vao maraim-be teto Toamasina. Betsaka ny olona naharay izany antso izany ary samy niezaka nanapariaka izany tamin’ny havany sy ny namany noho ilay antso tena milaza loza be ka tokony haparitaka ho fantatry ny olona izany mba tsy ho betsaka ny maty. Noho izay tsaho niniana naely izay tena nahomby satria tena niteraka fisaritahana sy tahotra ary fanahiana tanteraka tamin’ny mponina izay, dia maro tamin’ireo tokantrano no niari-tory mandra-maraina mihitsy nanangon-drano hampiasaina sy efa nahandro ny sakafo hohanina ny alahady manontolo ny andro. Saingy raha ny vaovao nangonina, dia tsy teto Toamasina ihany no nahitana izany tranga fanelezana tsaho izany fa nisy ihany koa tany SAVA sy Analanjirofo ary ireo distrika maro eo anivon’ny faritra Atsinanana, izay niteraka fihidin’olona an-trano mihitsy vokatr’ izany. Raha ny fanazavana nomen’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, tamin’ny fanazavana azony tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa teto Toamasina ireo tamin’ny faritra nisian’ilay tsaho niniana naely ity, dia tena efa matihanina amin’ny fanelezana tsaho ireo atidoha nanao tsaho izao. Nefa tsy mitombina sy tsy marina izany, fa tsy misy izany tara-masoandro manome poizina amin’ny rano sy sakafo izany; mila tony sy mila mandinika ny vahoaka fa tsy mora andairan- tsaho tahaka izao. Noho ny raharaha sady fanakorontanana firenena no fanakorontanana  saim-bahoaka dia manokatra fikarohana ny tompon’andraikitra eto Toamasina sy ireo faritra nisy izao tsaho izao hamantarana ny mpanao sy ny tompo-marika ary ny tanjon’ireo mpanapariaka tsaho tamin’ity zava-nisy, ny alahady ity izy ireo. Vokatr’ireo fampitam-baovao sami hafa nataon’ireo tompon’andraikitra tamin’ny faritra nielezan’ity tsaho ity, dia ny antoandro ny alahady ihany dia efa niha-lefy izany na nahomby tanteraka aza ny fanelezana izany, satria nanomboka nahatsapa ny rehetra, fa tsy marina ilay antso tamina finday, ka na ireo nisitrika tsy ahita masoandro ny alahady teo aza, dia efa nivoaka nitazana sy niaina izany tahaka ny isan’andro.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.