Tsaratanana : Miantso ny fanjakana hijery akaiky ny kraomita malagasy ny mpiasa ao aminy

Mbola mitohy hatrany ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny kraomita Malagasy ao Brieville Tsaratanana amin’izao fotoana izao ,amin’ny tsy faneken’izy ireo ny fahatongavan’ ireo vahiny hitantana ny orinasa. Nanatanteraka fitokonana  faobe izy ireo ny faha-18 Janoary 2019 lasa teo izay samy nahitana ny mpiasa rehetra ao amin’ity orinasa ity , nanambara ny SG   sindika kraomita Malagasy Atoa  Ratovonjanahary Lala    fa ny fitantanana teo aloha no  tena fototry ny olana  ,anefa tsy nisy ny fijerena fa nanaovana  kiantranoantrano ny orinasa .Manomboka mihareraka ihany koa ireo mpiasa amin’ny fitokonana lavareny ka eo ireo efa mangataka ny hampitsaharana ny fitokonana fa hiresaka mivantana amin’ny fanjakana  ka lasa mahatonga adihevitra maro amin’ireo mpiasa. Nanambara ihany koa ny  solontenan’ny mpiasa Atoa Raharimandranto fano andrianjatovo ‘Délégué »    fa tokony hiditra antsehatra ny fanjakana foibe hitady vahaolana haingana satria mijaly ny  vady aman-janaky ny mpiasa  , eo ihany koa ny fahataran’ ny fandraisana karama ,ahiana hiady an-trano mihintsy ireo mpiasa  noho ny fitarozahan’ny  fitakiana   noho ireo tsaho alefan’ny mpiasa sasany eo amin’ireo famendrofendroana  samihafa  , dia tsy tena fantatry  ny mpiasa rehetra ny tena zava-marina eo amin’ny fitantanan’ireo vahiny  ny orinasa Kraomita Malagasy  . Raha ny  nambaran’ireo vahoaka ao Brieville dia  sahirana izy ireo amin’ny fitokonana lavareny ataon’ny mpiasa ,tsy misy mandeha avokoa ny entam-barotra amidy eny amin’ny tsena. Manantena ny filoham-pirenena hijery vahaolana haingana ny mpiasan’ny kraomita Malagasy  fa misy mitady hanararaotra izao fahavoazana izao ireo mpanao politika

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Euh…ça fait partie de l’IEM?En tout cas bon courage au travailleurs de Kraomita.J’espère que le nouveau gouvernement entendra vos voix.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.