Tambajotran-kerinaratra Volobe – Toamasina I : Mitohy hatrany ny halatra taribin’ny Jirama, mirefy 600m indray very ny alakamisy teo

Raha mbola miady mafy momba ny famatsiana solika ho azy ny Jirama, antony miteraka izao delestazy tsy maintsy atao manerana ny Nosy izao, dia miampy halatra taribin’ny Jirama indray ho an’i Toamasina, nefa ny tambajotra Volobe Toamasina II – Toamasina renivohitra izay manome herinaratra 06MW an’i Toamasina sy ny manodidina azy, dia mampihena ny fahelan’ny delestazy mitranga eto Toamasina. Nanomboka ny volana desambra  dia nisy tranga halatra taribin’ny Jirama hatrany nitranga teo amin’ny tambajotra Volobe – Toamasina I ity. Raha atambatra izany ankehitriny dia efa mirefy 2.820m ny halavan’ny tariby very, ka ny 1.900m tamin’izany dia niseho ny volana jaroary ity avokoa, ary ny 600m nitranga farany dia niseho ny alakamisy alina nifoha ny zoma lasa teo. Nambaran’ny Jirama anefa, fa ny fahatapahan’ny famatsian’i Volobe ilay 06MW ho an’i Toamasina dia miteraka fatiantoka 17,5 tapitrisa ariary isan’andro ho an’ny Jirama amin’ny famatsiana herinaratra ny mpanjifa, sy miteraka fandaniana solika fanampiny 50.000 litatra amin’ny Jirama amin’ny fampihodinana ireo fitaovana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika ihany koa. Manao antso avo amin’ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona sy ny vahoaka manontolo mipetraka manamorona ireny tambajotrana herinaratry ny Jirama Volobe – Toamasina I ireny, ny talen’ny Jirama Toamasina, Atoa Toto Jean de Dieu, mba hanome loharanom-baovao momba ireo mpanimba sy mpangalatra ny fananam-bahoaka ireo. Satria efa manomboka tapitra ny taribin’ny Jirama hanoloana ireo misy mangalatra ireo ankehitriny eo anivon’ny Jirama Toamasina. Koa raha mbola hitohy izany, dia vao mainka hihamafy ny delestazy iainan’ny mponina eto Toamasina. Ankoatra izay dia manentana ny vahoaka ihany koa ny Jirama Toamasina mba samy ho tony, satria tsy Toamasina irery no miaina izao delestazy noho ny olana misy eo anivon’ny Jirama izao, fa i Madagasikara manontolo mihitsy. Misy mantsy ireo olona sasany mandranitra sy mitarika olona handroba sy hanimba, hidina an-dalam-be noho izao delestazy misy isaky ny tolakandro eto Toamasina izao.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.