Mananjary: Tsy fahampian-tsoliky ny Jirama : manjaka ny delestazy, velon-taraina ny mpanjifa

Jacaranda

Noho ny tsy fahampian-tsoliky ny Jirama ao Mananjary, dia niova ho amin’ny 11 ora sy sasany alina ka hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina, ny fahatapahan-jiro, nanomboka ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia, raha tamin’ny 3 ora sy sasany naraina ka hatramin’ny 9 ora sy sasany izany, teo aloha (nanomboka ny fiandohan’ity volana janoary ity). Ny antony, hoy ny Talen’ny Jirama any an-toerana, Atoa Ratsaratsiry Vincent, dia mbola tsy tonga ny solika avy any Fianarantsoa, fa solika 4 815 litatra sisa no misy, nefa ny fe-potoana voalaza etsy ambony mahalany solika 3 400 L,  ka voatery tamin’ny 10 ora sy 30 minitra ny jiro vao nalefa io maraina io (mantsy ny omaly). « Raha mbola tsy tonga ny solika, dia mety ho tapaka tontolo andro ny jiro manomboka ny alakamisy », hoy ity tomponandraiki-panjakana ity, nanamafy. Mahakasika ny fidangan’ny faktiora, dia nilaza ity talen’ny Jirama ity, fa ny « installations » tranainy sy ny « prise branchée » ary ny fahataran’ ny fanaovana « relevé » noho ny tsy fahatratrarana ny tompon-trano no mahatonga izany.

Eric Manitrisa

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Efa ao anaty velirano ny fanavaozana fa andraso eo i Paoly kkk

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.