Tanjombato : Fiarana teratany karàna voatoraka baomba

Mbola resaka fakana an-keriny ihany. Fiarana teratany karàna iray no fantatra, fa nisy nitoraka baomba, omaly hariva, tetsy Tanjombato. Vokany, tovolahy iray 23 taona no maty tsy tra-drano, raha  nisy olona roa hafa naratra mafy ary nalefa notsaboina eny amin’ny hôpitaly. Raha ny angom-baovao azo dia saika haka an-keriny ireto olona tao anatiny, izay nisy zanaka teratany karàna iray ireo olon-dratsy. Niezaka nanakana ity fiara ireo andian’olon-dratsy, saingy tsy tafajanon’izy ireo ilay fiara. Ny niafarany, toy ireny tanaty horonantsary ireny, dia notorahan’izy ireo baomba miendrika grenady ilay fiara ary nipoaka. Voalaza moa, raha ny angom-baovao azo hatrany, dia baomba vita tànana ity natoraka ilay fiara ity ary niteraka izao faharatrana sy famoizana aina izao. Zanaka mpandraharaha karàna antsoina hoe Farouk Daya ity namoy ny ainy ity, ary an-dalana hamonjy ny fodiany, raha avy nivarotra teny Isotry izy ireo tamin’io fotoana io. Efa tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, na ny zandary izany na ny pôlisy. Ireo nahavanon-doza kosa, dia nanararaotra nitsoaka. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha araka izany.

Nangonin’i m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. · Edit

    Ka io ihany ny filazan’ny gazety vaovao. Tandremo fa mila maty hanina kokoa ny mpanao gazety fa tsy manao filaza vilana toy izao. May ny hanoratra fotsiny sady manao izay hahalafosana fotsiny koa.

  2. Tena tsy nisy baomba izany tao an ! Raha baomba no nipoaka dia efa potika ilay fiara nitondra an-dry zareo sy ny fiara nitondra ny mpitifitra satria nifanao aloha sy aoriana ireo. Raha baomba dia tsy maintsy nisy fiantraikany teo amin’ny Restaurant Foie Gras sy ny Ostie ary ny Géant du Meuble izany. Basy no nipoaka, ary niditra tao amin’ilay zandriny ny bala ary tafavoaka ka nahavoa ny tongotr’ilay zokiny nipetraka teo aloha. Mbola tongan’ilay zandriny niditra tao amin’ny Géant du meuble anie ny fiara e !

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.