Cybercriminalité Nanompa ny filoha : MD izy mivady

Jacaranda

Tsy sangisangy fa tena miasa ny mpitandro filaminana izay misahana ny heloka amin’ny aterineto. Mpivady no nidoboka am-ponja eny Antanimora omaly vokatry ny fampiasana ny tambajotra amin’ny tsy tokony ho izy. Nanompa mivantana ny filoham-pirenena no tena anton’ny fitoriana azy ireo. Nitondra ny anarana RFL ny tompon’antoka tamin’ny fanalam-baràka sy fanompàna. Mihoatra ny fefy ny fahalalahany ny miteny ary nivadika ho heloka izany. Mbola betsaka ny tsy mino fa efa vita tsara ankehitriny ny fijirihin’ny mpitandro ny filaminana ireo kaonty izay manaratsy ary efa betsaka izay nidoboka am-ponja izay. Na izany aza aloha dia saika ireo izy manompa manam-pahefana na olom-boafidy hatrany hatreto no midoboka fa ireo olon-tsotra izay misy manala-baraka kosa dia tsy mba misy tohiny matetika.

D.R

Share This Post

3 Comments - Write a Comment

  1. – Fanontanina ho anareo Mpahay lalàna: Diffamation ve mitondra any amponja ? Amiko ny Hopa dia ao anatin’ny Diffamation. Honitra ( dommages et intérêts ) angamba no ho hoazon’ny mpitory. Nitory azireo angaha i Rajoelina ?

  2. Ry osy mpanao commentaires ao @ tvplus, ibc, kolo tv izany mba ahoana ? Ireo no tena mpiteny ratsy ny filoham-pirenena.

  3. Ary ny olona milaza ho mpanaogazety nefa manalabaraka sy manaratsy olona , ny depité mpanompa, sa ve voafetra ho an’ny sarambabem-bahoaka ihany ny fahaizan’ny mpitandro filaminana

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.