« Embouteillages, Arrêts bus » : Mirongatra ny sinto-mahery eto Andrenivohitra

Jacaranda

Tsapa fa mirongatra indray ny sinto-mahery sy ny fanendahana  tato hoa ato eto andrenivohitra. Saika ahitana izany avokoa na eny amin’ny fitohanan’ny fiarakodia na « embouteillages sy ireo tohatoha-bato falehan’ny olon’olona maro ireny. Ny zoma teo ohatra tokony tamin’ny 2 ora tolakandro. Ankizivavy iray no voaendaka telefaonina tao anaty bus 105 tamin’iny làlana Vahilava –iny. Avy aty ivelan’ny fiara ilay mpangalatra no nisintona ny telefaonin’ity tovovavy ity tao anaty « embouteillages ». Nu antsoantso hoe « mpangalatra, mpangalatra »  nataon’ity ankizivavy ity no nanaitra ny manaodidina saingy efa tsy hita intsony ilay jiolahy. Ny sabotsy teo indray tamin’ny 12 ora 30 minitra. Vazaha nandeha tamin’iny tohatoha-bato mampitohy an’Ambohijatovo sy Faravohitra iny no lasibatra. Ny tena mampivarahontsana dia andro antoandro be izao izany no mitranga. Tsy lazaina intsony ny amin’ny alina toy izay mampalaza ratsy ny eny amin’ny faritra Mascar sy ny manodidina iny. Indrindra moa,  fa manomboka eo amin’ny lasantsy maty, mihazo ny « arrêt  bus », ary mitohy mihazo ny lalana Anjanahary. Izay toe-javatra izay indrindra no hanaovaon’ireo pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo andrimaso io sy fisafoana tsy an-kiato amin’ireo faritra ireo. Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa, dia nahazoana vokatra izany ezaka izany, ka lehilahy telo no voasambotra, izay ahiahiana fatratra ho rain-dahiny amin’ireo mpanendaka mitam-piadiana eny amin’iny faritra iny. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any no tra-tehak’ireo mpitandro filaminana nihaodihaody, tsy amin’ny antony teny an-toerana izy ireo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niaiky ry zalahy fa saika hanendaka izay olona sendra azy ireo tokoa. Marihana, fa ny roa tamin’ireo dia vao avy nivoaka ny fonja vao haingana noho ny  fanendahana hatrany.

m.L

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.