Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka : Namita ny adidiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Jacaranda

Ankoatry ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, dia mahatsapa ho manana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka ny polisim-pirenena. Ho fanehoana izany, ny zoma 8 febroary teo dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Imerintsiatosika ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izay notarihin’ny lehiben’ity departemanta ity, ny Contrôleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger sy ireo mpikambana ao amin’ny kabinetrany. Nahatratra 1072  ireo nandray anjara tamin’izany. Velaran-tany 5 ha eo  ho eo no nezahana novolena ka zanakazo 5000 no voavoly (fihinam-boa 1500 sy « acacia magium » 3500). Tafiditra tanteraka amin’ny vinan’ny Minisitera izao hetsika izao, hoy ny Minisitra Rafanomezantsoa Roger dia ny hoe : « Polisy manaja ny tontolo iainana ». Tonga nampianatra ny fomba fambolena sy fikojakojana ireo zanakazo ireo ny teknisiana avy ao amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana mba tsy hahafaty ireo zanakazo novolena. Ny polisy am-perinasa ao Imerintsiatosika moa no nomena andraikitra manokana hanara-maso sy hikarakara ireo zanakazo novolena ireo. Nohararaotin’ny Minisitra izao fotoana izao mba hanaovana jery todika ny asa vita hatramin’izay nitantanana ity departemanta ity izay. Mikasika ny fanamafisana ny filaminana an-tanan-dehibe sy ambanivohitra, dia nisy ny ezaka vita hoy izy.  Isan’izany ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny polisy.  Tsy eny an-dalambe ihany fa misitrika hatrany an’elakelan-trano rehetra any mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy entina hanomezan-toky ny vahoaka, fa misy ny polisy miaro azy ireo. Isan’izany ihany koa ny ady amin’ny fanafihan-jiolahy sy ny « kidnapping » manerana ny Nosy. Natao hampiharina manerana ny kaomisaria rehetra manerana an’i Madagasikara izany paikady rehetra izany.

T.M.

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.