Andrefanambohijanahary : Voatifitra ny zaza amam-behivavy, iray no maty

Olon-tsotra, faran’izay tsotra mba tsy hilazana hoe mitrongy vao homana no maty notifirin’ny jiolahy. Mpivarotra voamaina ny asany ary rehefa avy nahatontosa ny fitadiavana dia namonjy fodiana . Teo indrindra no nosakanan’ny jiolahy mba hanendahana ny vola teny aminy, izany hoe ny vola izay mba maty nandritra ny tontolo andro. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva, ny asabotsy teo, no niseho ny fanendahana azy. Saingy tsy nijanona tamin’ny sinto-mahery fa niafara tamin’ny famonoana ho faty kosa avy tamin’ny alàlan’ny tifitra tamin’ny basy. Niantso vonjy ilay ramatoa ka izay no mainka koa nahatezitra ny olon-dratsy; izay namono azy avy hatrany. Teo Andrefan’i Mananjara, etsy Andrefanambohijanahary no nitranga izany heloka bevava izany. Tsy vitan’izay, fa mbola nitohy tamin’ny fitifirana ny manodidina ny nataon’ireo jiolahy. Zaza roa izay sendra teo akaiky teo no voatifitra ary samy mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly rehefa voa teo amin’ny tongony sy ny faritra ambany. Manoloana ny zava-nitranga, dia nanapa-kevitra ny nivoaka tamin’ny fahanginana ny mponina teo amin’ny fokontany nisian’ilay heloka bevava. Nilanja sorabaventy izy ireo omaly mba hanairana ny tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hamerenana ny paositry ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana. Isan’ny fandresen-dahatra nentin’ny olona ny fiverimberenan’ny fanafihana mitam-basy. Tao anatin’ny iray volana mantsy, raha ny fitantaran’izy ireo hatrany, dia efa tafakatra efatra ny isan’ny fanafihana mitam-piadiana teo Andrefan’i Mananjara. Manao izay danin’ny kibony arak’izany ny olon-dratsy ary ny tsikaritra dia mitam-basy hatrany ireo no sady manao rodobe rehefa hanafika. Isan’ny toerana izay tokony hisy fisafoana matetika iny kartie iny satria sady maizina no betsaka elanelan-trano. Izany rehetra izany no manamora ny asaratsin’ireo jiolahy. Ankehitriny, dia efa mirotsaka an-tsehatra koa ny miaramila amin’ny fidinana etsy sy eroa mba hamerenana ny fandriampahalemana. Irarian’ny olona mba hiditra hatrany anaty haizina sy elanelan-trano rehetra any izy ireo.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.