Fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Tratran’ny polisy ireo roa lahy nanafika « Cash Point » tao Bazary kely

Jacaranda

Miezaka amin’ny fametrehana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina ny polisim-pirenena izao, ka isan’ny anaovan’izy ireo ezaka mafy ny mikasika ity fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina ity. taorian’ny fahatrarana ireo basy sy bala marobe farany teo, dia tsy mety resy ireto andian-jiolahy ireto fa misy hatrany, ka misy ny ezaka izao. Vokany! tratran’ny polisy ireo roa lahy isan’ny andian-jiolahy nanafika ilay mpanao “Cash Point” tao Bazary kely farany teo, nataon’ny andian-jiolahy telo nirongo basy PA avy tamin’izany, dia Ingahy isany Jacky 20 taona, sy Jarison 19 taona. Ankilan’izany dia saron’ny polisy koa ireo roa lahy isan’ny andian-jiolahy nanafika ilay ramatoa hanatitra vola amin’ny mpampiasa azy tao Tanambao I, izay nahavoatifitra ilay ramatoa tamin’ny feny raha niaro mafy ny vola teo aminy ka tsy azon’ireo andian-jiolahy tamin’izay. Mbola samy nitondra basy izy efa-dahy tamin’izany raha ny angom-baovao marim-pototra. Tamin’ny fahatrarana azy efa-dahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto izao, dia tsy nisy aloha ny basy tratra tamin’izy ireo. Fantatra araka ny fanazavana fa basy hofaina izy ireo ka eo am-pikaroahana izany mpampanofa basy izany ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina izao, fanadihadiana itambaran’ny polisy sy ny zandary manao, raha ny vaovao. Ankoatra izany dia mbola manao antso avo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny andrimasom-pokonolona ary ireo mpanome vaovao hatrany ny polisy momba ity resaka filaminam-bahoaka eto Toamasina ity.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.