Andrembesoa : Basy lava 5, dahalo 5 lahy voasambotry ny fokonolona sy ny zandary

Nahitam-bokany ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny zandary amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao. Basy lava miisa 5 sy dahalo 5 lahy no saron’ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny kaominina Andrebesoa, distrikan’i Betafo.

Fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona sy ny fanomezana loharanom-baovao tamina olona tsara sitra-po no nahalalana ny fisian’ireo basy ireo tao amina  tanana iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andrebesoa. Nidina ifotony ny zandary nanao ny fanadihadiana ka nahazoana izao vokatra izao, hoy ny chef d’escadron, ny cmdt Ratsimbazy Andriniaina, lehiben’ny vondrontobim-pileovana vonjy maika eto Vakinankaratra. Sarona nandritra ny fisavana natao noho izany ireo basy ireo. Amin’ny karazany avy moa ireo fitaovam-piadiana ireo ary notsipihina fa mehery vaika tokoa satria Mass 36 ny iray  sy FC ny ambiny. Fantatra fa basy ana-miaramila ny iray tamin’ireo basy ireo saingy efa nofafana sy nesorina ny laharana sy ny marika mety hamantarana ny basy. Nisy tamin’ireo dahalo voasambotra ireo no nanao fanakanan-dalana. Nisy ny fifandonana ka namparatra ny iray tamin’izy ireo, izay voatsindron’ny lefon’ny fokonolona ny tongony. Ankaotra izay, nahitana karazana moara maro be fampiasana rehefa manafika ireo dahalo voasambotra ireo.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.